Hotendrena amin’ny filankevitry ny minisitra rahampitso ireo sekreteram-panjakana miisa sivy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Hisy ny fanovana samihafa amin’izany.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa efa vita ny herinandro lasa teo ny nanaovana tombana ireo nahafeno ny fepetra rehetra, taorian’ny fandalovana amin ‘ny sivana farany, mialoha izao fanendrena izao. Hany sisa andrasana ny fandaminana faramparany momba ny asa sy ireo andraikitra horaisin’ireto sekreteram-panjakana ireto. “Tsy maintsy harindra izany amin’ny maha rafitra mpanatanteraka azy ireo miaraka amin’ireo rantsana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Voalaza koa fa misy ny asan’ireo departemanta na koa sampandraharaha eny anivon’ny minisitera ho tafiditra amin’ny andraikitra na asa hotantanin’ireo sekreteram-panjakana ireo.
Mpiasan’ny minisitera hafindra toerana
Eo koa ny famindran-toerana ireo mpiasa sasany avy eny anivon’ny minisitera hiasa ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Tombanana fa mety ho maromaro koa ireo rafitra hitsangana eo anivon’ity Andrimpanjakana ity.
Tsiahivina fa miisa sivy ireo sekreteram-panjakana eo anivon’ny Prezidansa ireo ka anisan’izany ny misahana ny Ady atao amin’ny fahantrana sy ny fiahiana sosialy; ny miandraikitra ny Fampidirana herinaratra eny ambanivohitra sy ny isan-tokantrano; ny miadidy ny Fahaleovantena eo amin’ny sakafo; ny misahana ny Drafitra sy ny toekarena; ny
miandraikitra ny Fiaraha-miasa ara-toekarana; ny mikarakara ny Tanora sy ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina; ny miandraikitra ny “Digitalisation” sy ny asam-bahoaka; ny misahana ny Varotra sy ny fanjifana ary ny miadidy ny Asa tanana sy ny taozavatra.
Synèse R.




