Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent: “Nahazo fandrahonana izahay tamin’ny fifidianana…”

Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, nanoloana ireo mpiara-miombona antoka fa henjana ny nahazo azy ireo tamin’ny fifidianana farany teo. Na izany aza, niezaka nijery ny tombontsoam-pirenena ireto mpitsara avo ireto, araka ny nambarany.

“Nahazo fandrahonana mivantana na ankolaka izahay tamin’ireny fifidianana ireny… Teo koa ny tsikera samihafa saingy tsy natao sakana tamin’ny fanatanterahana ny asa izany fa nihoarana aza”, hoy izy tetsy Antaninarenina, omaly. Nanteriny fa naneho ny firaisan-kina sy ny maha matihanina izy ireo manoloana ny lalàna mba hijerena ny tombontsoan’ny firenena.
Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny atrikasa iarahana amin’ny Pnud ny filohan’ny HCC, tamin’io omaly io. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny depiote izany.
Tsiahivina fa notebahin’ny filohan’ny HCC koa afakomaly ny Antenimierampirenena manoloana ny asa efa tanterahin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly, toy ny Bianco sy ny Samifin ary ny Arai.

Praiminisitra sy minisitra teo aloha…
Tsy mbola miasa anefa hatramin’izao ny Fitsarana avo (HCJ).
“Efa dimy taona mahery izao, tsy misy antontan-taratasin’ady na iray aza tonga ao amin’ny HCJ. Koa mivaralila sy mandringa ihany izany ny ady amin’ny kolikoly noho ny sakana ao amin’ny Anteni­mierampirenena”, hoy izy. Ao amin’ny vaomieran’ny fitsarana eo an-toerana izany. Rehefa tonga ny fotoana amin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ady, tsy feno hatrany ny fetrisa hahazoana manapa-kevitra eny Tsimbazaza amin’ny fampiakarana izany any amin’ny HCJ na tsia. Vokatr’izay, tsy miasa ny HCJ. Misy anefa praiminisitra sy minisitra teo aloha no tokony hanaovana fanadihadiana sy hotsaraina noho ny kolikoly.

R. Nd. sy Synèse R.

Partager sur: