“Tena vahaolana ny hisian’ny sekretariam-panjakana, fa mavesatra ny minisitera samihafa : misy fitaovam-pitantanana mila ahodina, mpiasam-panjakana mila ofanina sy ampirisihina izay misandrahaka manerana ny Nosy…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’izao. Indraindray apetraka ny fanamby sy ny baiko ary ny toromarika, nefa tsy maharaka fa mavesatra ny minisitera. Raha ny foto-kevitry ny filohan’ny Repoblika, maivamaivana ny sekreteram-panjakana: afa-mifanaraka, afa-mihazakazaka amin’izay vinam-pampandrosoana tena andrasan’ny vahoaka.
Ny eritreritry ny filohan’ny Repoblika, misy hevitra tiana hatao sy hipaka any amin’ny vahoaka: mila zavatra haingana sy ahitam-bokatra. Rafitra kelikely sy tsy mavesatra no apetraka, tonga dia ahitam-bokatra. Tsy midika izany hoe tsy ilaina ny minisitera, fa ela indraindray ny fotoana fiasany noho ny antony samihafa. Tsy hoe azo ahena izay fotoana fiasana izay, fa fotoana ara-panjakana tsy mifanaraka amin’ny zavatra andrasan’ny vahoaka.
Zava-dehibe ny fanapahan-kevitra sy ny fahasahian’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fametrahana sekreteram-panjakana. Tena misahana olana manokana izay, mitondra vahaolana haingana sy eo no ho eo amin’ny vahoaka. Tokony ho tsapa sy hitan’ny vahoaka fa atao izay lazain’ny filohan’ny Repoblika hoe atao.
R. Nd.




