Fitantanana ny kaominina : naka ny hevitry ny HCC ny Praiminisitra

Saika tapitra tamin’ny 10 janoary lasa teo avokoa ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna amin’ireo kaominina 1 695 manerana an’i Mada­gasikara. Inona no hatao? Araka ny loharanom-baovao azo antoka, naka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anisan’ny fanontaniana amin’izany ny hoe: inona ny fepetra horaisina amin’ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny kaominina ? Manaraka, afa-manohy ny asany ve ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna mandra-pivoahan’ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ? Farany, inona ny fepetra horaisina raha hanohy ny asany ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna tapitra fe-potoam-piasana ? Andrasana izany ny hevitry ny HCC ny amin’izay hatao. Rahoviana ny tokony hanatanterahana ny fifidianana kaominaly ? Efa nilaza ny Ceni sy ny mpanara-maso fifidianana, ohatra, fa tsy azo atao ao anatin’ny fotoan’ny orana izany, araka ny lalàna.

R. Nd.

Partager sur: