Rakotoson Andriamiraho Hoby : “Tsy ampy ny tetibola hanentanana ny olom-pirenena amin’ny Rale”

Mby aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) amin’izao? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily miantsehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny fikambanana ny Angady, Rakotoson Andriamiraho Hoby. Dinidinika…

Gazety Taratra (*) : Ny fahitanareo ny Rale amin’izao?
Rakotoson Andriamiraho Hoby (-): Fampidirana ny anaran’ireo vao feno taona sy izay vao nifindra monina eny anivon’ ny fokontany ny Rale. Eo koa ny fanesorana ireo nodimandry sy izay niala eo amin’ny fokontany. Mba hahazoana manana lisi-pifidianana madio sy azo antoka ary feno izany. Hara­raotina ny fanentanana an’ireo firaisamonina sivily rehetra misehatra amin’ny fifidianana hanentana ny olom-pirenena hanatona ny biraom-pokontany amin’izay fisoratana anarana izay hatramin’ny 15 febroary ho avy izao.

* Inona ny olana amin’izay fanaovana Rale izay?
– Efa mahafantatra ny toe-java-misy amin’izay fanaovana Rale izay avokoa ny firaisamonina sivily misehatra amin’ny fifidianana. Na izany aza, entanina bebe kokoa izy ireo ny amin’izany, fa hiatrika fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote isika atsy ho atsy.
Olana ny tetibola ampiasain’ny firaisamonina sivily amin’ny fanentanana ny olom-pirenena… Tsy mbola misy ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny Rale. Na izany aza, misy mandeha ihany fanentanana amin’ny haino aman-jery samihafa. Ny fokontany koa efa manentana eny ifotony. Efa mandeha izany ny Rale. Nefa tsara ny manamafy ny fanentanana mba handraisan’ny firaisamonina sivily rehetra anjara amin’izay fanentanana ny olom-pirenena amin’ny distrika 119, fokotany 19 700…

* Tsy afangaron’ny olona ve ny fanavaozana tanteraka sy ny Rale?
– Tsy toy ny tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay nofoanana tanteraka ny lisitra teo ny Rale, fa fanampiana izay tsy mbola voasoratra no atao. Ny fanavaozana tanteraka nofaranana tamin’ny 20 jolay 2023 no fototra iaingana amin’ny Rale amin’izao. Nefa misy ny latsaka tamin’izany. Eo koa ireo vao feno taona. Misy ny tsy taitra fa heverin-dry zareo fa efa ao anatin’ny lisitra teo aloha izy ireo tamin’ny fanavaozana tanteraka. Nefa nisy latsaka tamin’izany ka tsy afa-nifidy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo, tokony hisoratra anarana…

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: