Nitondra ny heviny, manoloana ny fanapahan’ny HCC farany teo, ny avy amin’ny antoko Tim, tamin’ny alalan’ny depiote, Ratsimbazafy Alain. Manana tolokevitra hafa kosa anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.
“Fanapahan’ny HCC ny hitohizan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Idealy ary azo ekena izany”, hoy ny depiote Ratsimbazafy Alain. Aleo manapa-kevitra toy izany amin’ny fanohizana ny fe-potoam-piasan’izy ireo mba hahazoana mitazona hatrany ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ankehitriny. Mba tsy hisian’ny ahiahy be loatra manoloana ny fanomanana ny fifidianana.
Na izany aza, nasiany teny ny amin’ny volavolan-drijantenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasany amin’ny lalàna lah. 2014-020, tamin’ny 27 septambra 2014, momba ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tsy voatery ho mpiasam-panjakana no hotendrena ho filohan’ny Delegasiona manokana (PDS). “Mampiahiahy ny toy izany. Mety ho olon’ny antoko politika no hanoloana avy hatrany ny ben’ny Tanàna tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra”, hoy izy. Olona hanomana fifidianana izy ireo. Heverina fa hisy ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolontsain’ny Tanàna ary ny depiote.
Fangatahan’ireo minisitra mirahalahy
Tsiahivina fa nialohavan’ny taratasin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina sy ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin, tany amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra izany. Voalaza fa tsy voatery ho mpiasam-panjakana no hotendrena PDS. “Maro ireo kaominina mety tsy ahitana fonksionera afaka hitantana vonjimaika. Tokony ho delegasionina manokana koa ireo ho filoha lefitra roa raha tsy mpiasam-panjakana ny PDS”, hoy izy ireo.
Araka izany, andrasana ny ho fanapahan’ny parlemanta ny momba izany amin’ny herinandro. Hodinihin’izy ireo ny momba io resaka io.
R. Nd.




