Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny herinandro teo, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisina teto amin’ny firenena. “Mitohy ny fampiasan’ny mpitondra ny HCC amin’ny tsy ara-dalàna. Tsy anjaran’ireo mpitsara avo ny manome ny heviny momba ny fanitarana ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy. Anjaran’ny filankevi-panjakana izany”, hoy izy ireo. Nohitsin’ny MMM fa tsy tokony hanaovana volavolan-drijan-tenin-dalàna hanovana ny lalàna momba ny delegasiona manokana. Efa hitarina ny fotoam-piasan’ireo olom-boafidy, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Hatao ny fomba hanendrena tsy mpiasam-panjakana eo amin’izany toerana izany mba hahafahana manomana sahady ny hosoka mandritra ny fifidianana, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra”, hoy ny MMM.
Fitakiana fifampiresahana
Etsy andaniny, nambaran’izy ireo fa matahotra adihevitra ny mpitondra ary manao ny hisehoan’ny korontana amin’ny tsy fampidirana ny fanovana ny lalàm-pifidianana amin’ny lahadinika eny amin’ny parlemanta, manomboka mivory, anio. “Efa notakin’ny herivelona ary tafiditra ao anatin’ny tolokevitry ny sehatra iraisam-pirenena anefa izany”, hoy izy ireo. Notakin’ny MMM koa ny hirosoana amin’ny fifampiresahana mba hanadiovana ny tokotanim-pifidianana.
Manamafy ny fitakian’ny Vondron’ny kandidà koa izy ireo ny amin’ny hanavaozana ny lalàm-pifidianana sy ny lisitra. Ny fametrahana ny CES ary ny fanovana ny rafitry ny Ceni. “Mitanila ny HCC sy ny eny Alarobia ary fehezin’ny mpitondra”, hoy ny MMM.
Synèse R.




