Mipoitra avokoa ny tolokevitra rehetra. Manana ny fijeriny ny amin’ny hanatanterahana ny fifidianana depiote sy ny ben’ny Tanàna ary ny mpanolotsaina ny eo anivon’ny TGV.
“Tsy fantatra izay mbola ho fanapahan-kevitry ny rehetra. Raha ny eritreritro manokana, tsy manam-bola isika dia aleo hitambatra ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Entiko amin’ny fitsitsiana izay, fa efa nandany vola isika tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, faritany Antananarivo, Rasoamaromaka Hery, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Ny tena mahahenjana ny fifidianana dia mandany fotoana. Tsy misy miasa ny olona fa samy mieritreritra fifidianana avokoa.
”Raha amin’izao, ohatra, no hatao ny fifidianana kaominaly, efa-bolana tsy miasa na mitady famatsiam-bola ny ben’ny Tanàna fa mamboaboatra izay mahametimety azy sy ny sariny eo. Avy eo, hiditra amin’ny fifidianana depiote: firy volana koa? Tsy hisy fampandrosoana hatao izany fa variana amin’ny fifidianana? Na ny olona eo amin’ny fitondrana aza, tsy maintsy hijery izay tokony harotsaka ho kandidà amin’izany.”, hoy hatrany izy.
Raha ny fahitany ny fironan’ny olona, aleo hitambatra izay fifidianana kaominaly sy depiote. ”Rehefa mitambatra ireo, mitsitsy vola ny fanjakana mba hahazoana manao fotodrafitrasa.”, hoy izy.
”Lisitra no fidina amin’ny fifidianana kaominaly: ben’ny Tanàna no fidina, azy avokoa ny mpanolotsaina. Mety izay. Amin’ny fifidianana depiote, manaraka ny lisitra faharoa”, hoy izy nambarana ny fizaran-kevitra.
R. Nd.




