Tsy marina ny filazana fa namoaka ny tetiandrom-pifidianana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Nanamafy izany izy, omaly, teny Tsimbazaza.
Hentitra sy nahitsy! “Tsy mbola nisy tetiandro momba ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ ny Tanàna nivoaka hatreto. Mbola an-dalana ny famolavolan’ny governemanta izany”, hoy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, omaly.
Natsidiny fa mbola hatolotra ny solombavambahoaka izany, mandritra ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana tanterahina ankehitriny. Nohamafisiny fa tsy anjarany samirery ny manapaka ny tetiandrom-pifidianana. “Diso tanteraka ny vaovao niely, araka izany”, hoy izy. Tokony hamarinina tsara ny vaovao vao havoaka, araka ny nambarany.
Notsiahiviny ireo dingana mbola handalovana, toy ny solombavambahoaka mbola hitondra ny fanazavana momba izany, indrindra ny eo anivon’ny vaomiera momba ny fitsinjaram-pahefana. Aorian’izany vao fantatra ny tetiandrom-pifidianana amin’ity taona ity. “Tsy mbola eto am-pelatanantsika izany izao aloha fa mbola hifampiresahana sy hifampidinihana”, hoy ihany izy.
Ny governemanta ihany
Mbola nohamafisiny tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook izany, omaly tolakandro. Nasiany tsindrim-peo manokana fa tsy tompon’andraikitra velively amin’ny fanapariahana datim-pifidianana miely eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ireo gazety samihafa ny tenany.
“Marihiko etoana fa ny governemanta irery ihany no tompon’ny teny farany sy afaka mamaritra izany”, hoy izy.
Nanentana ireo orinasa an-gazety sy ireo tomponandraikitra eny anivon’ny tambajotran-tserasera ihany koa ny tenany mba hanamarina ny vaovao rehetra sy ho marim-pototra vao zaraina amin’ny vahoaka izany.
Synèse R.




