Nifampiarahaba tratry ny taona ny antoko Tim, ny faran’ ny herinandro teo, teny Faravohitra. Nanotrona ny filoha mpanorina, Ravalomanana Marc, ny solontenan’ireo mpitarika ny antoko isam-paritra sy manerana ny renivohi-paritany eto Madagasikara. Niompana tamin’ny fiatrehana ny fifidianana ny lahateny nataon’ ny filoha teo aloha. Nambarany fa : “Zo sy adidy ny mifidy, ary tsy maintsy atao izay hampiakatra ny taham-pahavitrihan’ny olona manan-jo hifidy mba hifidy”. Nohamafisiny fa mila entanina ny rehetra mba hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, izay hifarana amin’ny 15 febroary ho avy izao. Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) izany.
”Mila hamafisina amin’ny olona fa ilaina ny manatevina sy manohana ny antoko”, araka ny nambarany. ”Manan-danja ny vaton’ny olona tsirairay, fa tena maneho ny safidiny. Noho izany, ilaina ny manentana ny olona manodinana ny tena: na ny olona tsy mitovy fijery aza, hilazana fa adidy ny mifidy hamonjena ny tanindrazana. Ilaina ho tena ao anatin’ny fahamarinana ny firenena. Ilaina ny fahasahiana mijoro amin’ny marina, fa tsy takalozana zavatra kely tsy misy dikany izay tsy mahavita taona akory”, hoy hatrany izy.
”Mila antoko matanjaka ny mpikatroka: tsy hoe hanangana firenena vanona fotsiny, fa hanangana firenena matanjaka amin’izay izao. Matanjaka aloha vao vanona. Entanina ny rehetra hijoro amin’izany matanjaka sy marina izany. Sarotra ny miady amin’ny marina: ny marina, marina hatrany; ary ny marina tsy mba maty”, hoy Ravalomanana Marc, filohan’ny Antoko Tim.
R. Nd.




