Mois : janvier 2024

SOMBIM-BAOVAO

Niditra tamin’ny andro faharoa ny fifanintsanana isam-bondrona “Can 2023”, ny alarobia lasa teo. Raha ho an’ny vondrona «A», lavon’i Nigeria tamin’ny isa 1 no ho 0 i Côte d’Ivoire, mpampiatrano, tamin’izany. Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ity fihaonana ity i Victor Oshimen, lohalaharan’i Nigeria. Lasa mpilalaon’ny Elgeco Plus, Razafindrakoto Jean […]

Badminton – “Mada 2024” : hiaro ny voninahiny i Thierry sy i Stephania

Hotontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny kianja mitafo ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hiaka-tsehatra amin’izany ny sokajy «sénior», lahy sy vavy. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany amin’ity, i Thierry avy amin’ny ST Jo Mahamasina sy i Stephania avy amin’ny MB2 All. Hahatratra 10 ireo klioba […]

«Telma Coupe 2023»: hanalavela amin’ny Fosa Junior ny CFFA

Hatao ny sabotsy sy alahady ho avy izao ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Klioba miisa valo ao amin’ny « PFL » no hifanintsana amin’izany. Tonga ity ny fotoana, hiatrehan’ny mpankafy baolina kitra indray ny am­pa­hefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara «Tel­ma Coupe 2023». Anisan’ ny fihaonana tena andrasan’ ny maro […]

VAOVAO TAMBATRA

Vaindohan-draharaham-panjakana ny hampiroborobo ny sehatry ny indostria entina hampandrosoana ny firenena. Manana mpiasa sy akora enti-mamokatra hita manerana ny Nosy sy azo trandrahina tsara i Madagasikara. Hampirisihina ny fampiasam-bola amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Hotohizana ny fisarihana ireo mpampiasa vola goavana eo amin’ny […]

Fandraharahana: hanampy ny kaoperativa ny governemanta amerikana

Hiompana amin’ny fana­tsarana ny fandaharanasam-pampandrosoana ny kaoperativa, amin’ny alalan’ny fametrahana fepetra mampiroborobo ny kaoperativa (CDP/ CECE), ny tetikasa Coope­rative Eco­system And Social Inclusion (CESI). Haharitra efa-taona ny tetikasa. Hana­tanteraka izany ny fikambanana iraisam-pirenen’ny kaoperativa NCBA CLUSA izay vatsian’ny governemanta amerikana vola amin’ny alalan’ny USAID. Kendrena ny hanohanana sy hanatsarana ny […]