Mirongatra ny fanaovana hosoka. Lehilahy iray mpikirakira vola sandoka voasambotra tao Antalaha. Voasambotry ny zandary tao Antalaha, afakomaly, ny lehilahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 1 319 000 Ar. Nilaza izy fa novidiany tamin’olona sendra nandalo io vola io ka vola sandoka 1 700 000 Ar sy vola tena […]
Mois : janvier 2024
Fotoam-pahavaratra: mihena tanteraka ny fivezivezena eny amin’ny lalam-pirenena
Mihena ny fandehanan’ny olona mankany amin’ny faritra, rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. “Antony mahatonga izany, ny fidiran’ny mpianatra, ny haratsin’ny toetr’andro, ary ny areti-maso izay efa mihanaka”, hoy ny filoha lefitry ny fiombonamben’ny kaoperativa (CPCTRV), Ratsimihaba Nirina Mamitiana. Efa misy ny solontenan’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka manara-maso eny amin’ny tobim-piantsonana. Arahi-maso, mandritra izany, […]
Tsentsina ny lakandrano: hifarimbonan’ny herivelona maro ny fanalana fako
Nosantarina tamin’ny lakandrano teny 67 ha ny fanalana ny fako, tamin’ity herinandro ity. Haharitra 5 andro ny fanatanterahana izany. Mifarimbona ireo herivelona rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa, mba hahafahan’ny rano mikoriana tao anatin’ireny oram-be nisesy ireny. Tanjona ny tsy hampiakatra ny rano eny amin’ny faritra iva. Miisa 302 ireo olona […]
Lycée Andohalo: Fahombiazana ny fifanakalozana tamin’ireo mpampianatra amerikanina
Nihaona tetsy amin’ny masoivoho amerikanina, nandritra ny 3 herinandro, ireo mpianatra sy mpampianatra amerikanina avy amin’ny Lafayette Collège Pensylvania niaraka tamin’ireo mpianatry ny Lycée Andohalo. Nisy ny fifanakalozana nahafahana nifampizara fahaiza-manao, indrindra mizatra miteny anglisy. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa “Lafayette Initiative for Malagasy Education (Lime)” ny fihaonana. Efa hatramin’ny […]
Hetsiky ny minisiteran’ny Asa : sarona ny tsy fanajana ny zon’ ny mpiasa teny Ivato
Nidina ifotony avy hatrany sady tsy ankiandriandry. Nijery ny olan’ny orinasa iray mpanao akanjo eny Ivato, ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, ny alakamisy teo. Nihaino ny olan’ny mpiasa sy ireo mpampiasa eo anivon’ity orinasa ity ny tenany ary namaha izany avy hatrany. Anisan’ […]




