Mois : janvier 2024

KMF/Cnoe : “Tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”

Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Maneho ny heviny momba ireo tokony hotendrena ho PDS ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, i Namearison Robert. “Raha ny marina, tokony ho mpiasam-panjakana ny PDS”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­nabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny fanendrena Filohana delegasiona manokana (PDS) noho ny […]

TSELATRA

Olona dimy nidoboka am-ponja noho ny halatra tany tao Marotazana, fokontany Voninahitrinitany, kaominina Marondy, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Voasaringotra tamin’izany ny olona miisa valo mianadahy. Nanam­bo­aran’izy ireo karatany antsokosoko ny tany iray efa manan-tompo. Naiditra am-ponja avy hatrany ny dimy tamin’ireo voasambotra. Mpivady niara-niasa miambina tanàna sy manadio trano tratra nangalatra tao […]

Namidy antsokosoko: Pasitera nahatrarana moto halatra

Pasitera amina fiangonana tsy miankina iray nahatrarana moto halatra tao Fiana­ran­tsoa, ny 17 janoary teo. Nisy nangalatra ny moto iray tsy lavitra ny TPI tao an-toerana, ny 16 janoary lasa teo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana, araka izany, ny tompon’entana very. Nanao ny fikarohana ny nahavanon-doza ireo tomponandraikitra. Tratra […]

Raharaha Nathalie : nalefa eny Tsiafahy ilay mpimasy

Niatrika mpitsara mpanao famotorana omaly ilay mpimasy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanolanana sy fanapahana ny lohan’i Nathalie, tovovavy 14 taona hita faty teny Faravohitra, ny talata teo. Niaiky ny heloka vitany hatrany ity mpimasy ity, nandritra ny famotorana lalina natao azy teny anivon’ny fampanoavana. Nohamafisiny manoloana ny fampanoavana hatrany fa […]

Clan Pyramide sy Stand of  : Andian-jaza maditra noravan’ ny polisy

Mihanaka manerana ny Nosy ny fikambanan-jaza maditra. Midoroka, manolana, mandroba, mamono izy ireo, araka ny fanazavan’ny polisy. Rava omaly ny Clan Pyramide sy Stand of. Andian-jatovo manodidina ny 14 hatramin’ny 18 taona izy ireo izay samy manana ny toerana ipetrahany. Mifanafika izy ireo ka lasa miteraka fitaintainana sy fikorontan-tsaina ho […]