Mois : janvier 2024

INDRAY MIJERY

Vokatry ny rotsakorana nihoapampana nandritra ny 4 andro, indrindra tany amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy dia maro ireo traboina noho ny fiakaran’ny rano, raha ny tatitry ny BNGRC. Manodidina ny 1 700 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana (tokantrano 40). Napetraka amina toerana azo antoka izy ireo mandra-pidinan’ny rano. Manodidina […]

Fiaraha-miasa amin’ny JICA : hisitraka kamiao 38 ny CUA

Vokatry ny fiaraha-mia­san’ny Agence japonaise de coopération internationale (JICA) dia hisitraka fitaovana hanampy amin’ny fanalana fako ny kaominina Antana­narivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Gesd­da” notanterahina ny volana febroary 2023 teo ny ahafahana manao izany. Heverina ho voarain’ny kaominina amin’io volana febroary ho avy io kosa ireo fitaovana nampanantenaina. Anisan’ny […]

Valanjavaboahary Tsimbazaza: hovatsiana sakafo ara-dalàna ireo biby ela nijaliana

Hitondra fiovana eo amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny ezaka tafiditra ao anatin’ny 100 andro voalohany ataon’ny Mesupres. Hofahanana sakafo ara-dalàna ireo biby ompiana ao an-toerana. Mahavelombolo ireo mpitia zavaboahary izany ary ainga vao hoan’ ity toerana ity. Avy hatrany dia ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza no notsidihin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy […]

TARATRY ny KANTO

Noraisin’ny minisitra ny solontenan’ireo mpanakanto. Taorian’ny fihaonana voalohany tamin’ ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisitera, nandray ny sendikan’ny artista ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Nihaino ireo olana sy soso-kevitra mahakasika ny Omda sy ilay tolo-dalàna momba ny zon’ ny mpamorona ny minisitra. Niarahaba ny minisitra ihany koa […]