Ny alahady 14 janoary lasa teo no niakatra kianja voalohany i Dimbiniaina Andriantinarivelo, ilay Malagasy mpitsara baolina kitra any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, “Can 2024”. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Houphouet Boigny, Abidjan Côte d’Ivoire. Nandraisany anjara tamin’izany ny fihaonan’i Mozambique sy i Egypte, ho […]
Mois : janvier 2024
“Lalao afrikanina 2024”: miankina amin’ny fanjakana ny ho isan’ireo atleta
Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny lalao afrikanina tanterahina any Ghana, i Madagasikara, amin’ity taona 2024 ity. Efa miomana amin’izany ireo taranja voakasika saingy hiankina amin’ny fitondrana ny ho isan’ireo atleta hifaninana. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny faran’ny herinandro lasa teo, anisan’ ireo firenena handray […]
INDRAY MIJERY
Hisantatra ny Éducation thérapeutique voalohany, amin’ity taona ity, ny olon-dehibe. Fampianarana karakarain’ny Amadia, ny sabotsy izao. Lohahevitra hovelabelarina amin’izany “Ny diabeta”. Maimaimpoana ny fandraisana anjara ary afaka mitondra namana sy fianakaviana ireo marary. Hatramin’ny anio, miato ny fampianarana amin’ny sokajy rehetra ao amin’ny faritra Boeny. Fepetra noraisina mba hisorohana ny […]
Orange Digital Center Champions : nankasitrahana ny ekipan’ny Misa
Nivoaka ho mpandresy, nitana ny laharana voalohany, ny ekipan’ny Misa manoloana ny ekipa 15 hafa avy amin’ny firenena maro eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Fifaninanana “Orange Digital Center Champions”. Nidera manokana ny haavolentan’ny fiofanana eo anivon’ny Misa sy ny fahaizan’ireo tanora ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frederic Debord. Notolorana amboara sy […]
Fahabetsahan’ny rotsakorana : faritra valo nahazo fampitandremana
Filazana miloko mavo amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ho an’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Voakasik’izany koa ny distrikan’Ambilobe, Ambanja, Nosy Be, Miandrivazo, Mahabo ary Belo sur Tsiribihina. Io ny fampitandremana nomen’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly. Filazana miloko mena, amin’ny habetsahan’ny rotsakorana hatrany, ho an’ny faritra […]




