Mois : janvier 2024

Fisitrahana tolotra ara-pahasalamana: entanina hiditra anaty rafi-piantohana ny olona

Fitsimbinana ny fahasalamana ho an’ny rehetra ny CSU. Anisan’ny vahaolana ialana amin’ny tsy fananam-bola tampoka raha sendra marary ny fidirana anaty rafitra fiantohana ara-pahasalamana. Nampahafantatra bebe kokoa momba ny fahafahana misitraka fahasalamana ara-kalitao, izay ilaina amin’ny fotoana rehetra sy tsy misy fahasahiranana ara-bola (CSU), ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manentana ny rehetra, […]

FANTINA sy FINTINA

Mbola ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy isika amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa nanomboka ny 1 desambra 2023 hatramin’ny 15 febroary 2024, izany fanavaozana ny lisitry izany. Entanina, araka izany, ireo izay vao feno taona na nifindra monina hanatona ny biraom-pokontany ao anatin’io fe-potoana io. “Tsy afa-misaraka amin’ny […]

Fifidianana kaominaly: tsy maintsy handray fepetra ny governemanta

Manoloana ny fahatape­ran’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, izay nifarana andro vitsy lasa izay. Nanambara ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny tany, Andriantsitohaina Naina, fa tsy maintsy handray fepetra ny governemanta mba hahafahana mandamina ny fotoana, manomboka izao ka mandra-pahatongan’ny fifidianana. Natao izany ho fanarahana ny lalàna […]

Rasata Rafaravavitafika: “Omena sehatra ny Malagasy any am-pielezana”

“Nametraka tantara sy nahavita asa tsara ny zoky sy raiaman-dreny teo aloha. Hiezaka ihany koa isika hanao izay tratry ny herintsika ho an’ny taranaka sy ho fampandrosoana an’i Madagasikara”. Io no nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Fom­ba fiasa haingana sy matotra ary mangarahara sy lavitry ny kolikoly no hapetraka eo anivon’ny […]

Sekretariam-panjakana: fanamafisana ny minisitera

“Fanamafisana an’ireo mi­ni­sitera ny fametrahana sekretariam-panjakana, ary fanamavainana ny asany koa”. Io ny fanehoam-pijerin’ny sekretera jeneralin’ny Vondrona laika kristianina mpikatroka (VLKM), Raza­fin­drabe Mamy, momba ny hi­si­an’ny sekretariam-panjakana. Ny asan’ny olona iray izany ata­on’ny olona roa, fa tsy hoe asan’ny olona folo ataon’ny olona iray. Antso roa lela io: mo­ra­mora kokoa […]