Mois : janvier 2024

Depiote Ramaherijaona Haja: “Hahitana vokatra haingana ny governemanta”

“Sahy miteny aho fa hahita vokatra haingana sy vetivety ity fitondram-panjakana tantanan’ny filoha Rajoelina sy ny praiminisitra Ntsay Christian ity”, hoy ny depiote IRD voafidy tany Tsiroanomandidy, Rama­he­ri­jaona Haja, momba ny governemanta vaovao. Mi­sy mieritreritra fa saro-piterahana ny governemanta. Nefa ny ma­nao zavatra tsy mora, ny mora koa tsy zavatra. […]

lisi-pifidianana: misy adidin’ny mpifidy ny tsy hisian’ny anarana miverimberina

Aiza ho aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale) amin’izao? Hita hoe mila entanina ny olom-pirenena. Manazava ny talen’ny serasera sy ny fanabeazana ary ny fanentanana momba ny fifidianana eo anivon’ny Ceni, Ratsimandresy Tianahanantsoa: “Misy adidin’ny olom-pirenena ny fahamarinan’ny lisi-pifidianana tsy hisian’ny anarana miverimberina”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]

“Infection urinaire” na « cystite » : aretina mpahazo ny olona mipetraka lava, indrindra ny vehivavy

Anisan’ny tena mpahazo ny an­kamaroan’ny olona mipetraka lava sy ny vehivavy bevohoka ny aretina « in­fection urinaire » na « cystite ». Toy ny mpivarotra, ny mpamily fiara, ny olona diabetika ary ireo matavy. Voan’ny aretina ihany koa ny ankizilahikely mbola tsy vita didimpoitra. Voan’ny aretina avokoa ny 1/3-n’ny marary […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 1 200 000 ny hajia lafon’ny Paositra malagasy tamin’ny taon-dasa. Nahitam-piakarana izany raha oharina tamin’ny 20 taona lasa, izay manodidina ny 800 000 isan-taona. Mitombo ny fampiasan’ny olona ny hajia na eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia. Ankehitriny, manodidina ny 1 000 000- 1 400 000 isan-taona eo ny […]

Toamasina : mirongatra ny fitrandrahana akorandriaka

Mitaraina ireo vondron’ny mpanjono ao Toamasina, fa mirongatra ny fitrandrahana akorandriaka (corail). Soka­jiana ho anisan’ny karazam-biby anaty ranomasina, ny «corail», saingy manana endrika vato. Nambaran’izy ireo fa mahatratra hatrany amin’ny 10 taonina isan’andro io akorandriaka alain’ny olona io, izay amidy eny an-tsena. Manaitra ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Jono Atsinanana […]