Mois : janvier 2024

Tsy maika…tsy tara

  Manomboka ny ady toerana eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny. Efa mibosesika eny amin’ny biraom-panjakana ny olona. Tsy misy tany iainana ny minisitra amin’ny fandraisana ny mpitsidika, izay sady mirary soa no mikajy anjara “mofomamy”. Ny fifamindram-pahefana no ela dia efa manomboka ny ankisisika sy ny fifaminganana. Eo indrindra no tiana […]

Tsena : hotsirihina isan’andro ny vidin’entana

Hitsirika ny vidin’entana eny an-tsena, isan’andro, ny kaomisera sy ny mpanara-maso ny varotra sy ny fanjifana. Hojerena manokana ny fampiharana ny lalàna sy fanajana ny fitsipika mifehy ny varotra sy ny vidin’entana, isorohana ny fanararaotana. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny sehatry ny varotra hitsinjovana ny mpiara-belona sy ialana amin’ny fanararaotana. Noho izany, […]

TSELATRA

Takalonaina miisa efatra nentin’ny dahalo, tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, distrikan’An­tsa­ha­lo­va, ny alin’ny 16 janoary teo. Mbola tsy nisy tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ireo olona ireo. Raim-pianakaviana iray hafa koa nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ ny fokontany Mahazoarivo, anatin’io distrika io ihany. Zazavavy folo taona naolan’ny sakaizan’ny mpampianatra nitaiza azy, tao […]

efa namono olona valo : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Mahazo vahana indray, tato ho ato, ny fitsaram-bahoaka ao amin’ny faritra Atsi­na­nana. Ny alatsinainy 15 janoary 2024 teo, telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’iny lalam-pirenena faha-11A iny. Omaly, jiolahy iray indray no niharan’izany tao Tanambao Verrerie Toama­sina, raha roa hafa naratra mafy tao Anki­ri­hiry. Avotra izy roa lahy ireto satria haingana […]

Antanetibe Mahazaza : mpamaky fasana lavon’ny zandary

Lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mahitsy, omaly, ny roa tamin’ireo efa-dahy nangalatra taolam-paty. Efa-dahy niloloha gony no nifanehatra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana tao Ambohidranomanga, kaominina Antanetibe Mahazaza. Nirifitra nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nanaraka ny zandary. Nitsoaka niaraka tamin’ny gonibe ireto farany saingy tsy namelan’ny zandary fa tsy […]