Mois : janvier 2024

« Telma Coupe 2023 »: hifandona ny CFFA sy ny Fosa Jr

Dimy volana aty aoriana, mitohy indray ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ity fifanintsanana ity ny sabotsy ho avy izao. Klioba miisa valo ao amin’ny PFL ireo hifanintsana. Notanterahina omaly, teny Isoraka, biraon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fisarihana « tirage au sort » ny ampahefa-dalan’ny […]

Loholona Ramanambitana Richard : “Ny vahoaka no hitsara ny governemanta vaovao”

“Ny vahoaka no hitsara voalohany indrindra manoloana ny fianianana nataon-dry zareo, ankoatra ny fitsarana anatiny ataon’ny fanjakana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Ramanambitana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Anosikely, afakomaly, momba ny governemanta vaovao. Tsy ataotao foana ny fianianana, fa hanatanteraka ny asa ary tsy mitady afa-tsy ny tombontsoa ambonin’ny […]

Fandriampahalemana : haverina amin’ny laoniny

Haverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana, indrindra ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitra delege misahana ny zandarimaria, ny Jly Andriantsarafara Rakotondrazaka, tetsy amin’ny Toby Philbert Ramarolahy, omaly. Ho tombontsoan’ny vahoaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra, hamafisina ny ady amin’ny dahalo ahafahan’izy ireo mamokatra am-pilaminana. Tompon’ andraikitra voalohany miantoka ny […]

Jly Raveloharison Herilanto : tsy voakosoka ireo mamy napetrany

17 janoary 2022 – 17 janoary 2024 : feno 2 taona katroka anio ny nahalasanan’ Itompokolahy Général de corps d’armée Raveloharison Herilanto, fantatry ny maro amin’ny hoe «Jly Herilanto». Manamboninahitra am­bo­ny, nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena izy fony fahavelony. Niavaka tokoa raha ny zava-bitany nandritra ny fotoana nidirany tanteraka […]

INDRAY MIJERY

Mikatona avokoa ny fiangonana FJKM rehetra amin’ny alahady izao. Mifamotoana eny amin’ny Toeram-piofanana ho mpitandrina (TPM), Ivato, ny mpino kristianina rehetra amin’ireo synodam-paritany, hitondra am-bavaka ny taom-piasana 2024. Hitondra am-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany koa, mandritra izany. An-tapitrisa ireo mpino kristianina FJKM heverina ho avy eny an-toerana. Natao […]