Mois : janvier 2024

Minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana : “Hotohizana ny asa efa natomboka”

Tontosa tetsy Andava­mamba, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriaman­dranto Joël, sy ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao teo aloha, Ratsiraka Sophie. « Mifampiankina ny fizahantany sy ny asa tanana. Hoto­hizana sy hotanterahina ireo asa efa natomboka”, hoy ny minisitra. Hatao laharam-pa­hamehana ny […]

Minae : hiasa haingana ny minisitra R. Suzelin

Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) vaovao, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, sy ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, ny Dr Raymond. Naneho ny fahavononany ny minisitra vaovao amin’ny hanohizana sy hanatrarana ireo tanjona maro napetraka, […]

Minisitra Olivier Jean Baptiste : « Hampiroboroboina ny fampiasana entona fandrehitra »

Natao omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) teo aloha, Andriamanampisoa Soloniaina, sy ny mandimby azy, Olivier Jean Baptiste. Hisy tetikasa vaovao ho entiny. Notaterin’ny minisitra teo aloha, Andria­mana­m­pisoa Solo­niaina, ny asa vita sy ny eo andalam-panatanterahana nandritra ny 11 volana nitantanany ity minisitera ity. […]

TARATRY ny KANTO

Anisan’ny hanamarika ny eny amin’ny IFM Analakely, anio, ny fampahafantarana ny kilalao « Tsimok’Arret ». Kilalao noforonina Malagasy zato isan-jato izy ity. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra zavatra maro ihany koa izy io. Anisan’izany ny fahadiovana sy ny fikajiana ny fahasalamana. Hisy ny valandresaka iarahana amin-dRajaonarivelo Raymond, izay anisan’ny mpamakilain’ny sinema […]

Fondation H: hampahafantarina ny fanenoman’i Madame Zo

Hisy ny hetsika misokatra ho an’ny rehetra, tanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 20 janoary 2024. Ny mahakasika ny fanenoman’i Madame Zo na Razakaritrimo Zoarinivo no lohahevitra lehibe amin’izany. Raha tsiahivina, fanambin’ny Fondation H sy ny mpitantana azy ny hampivelatra sy hampahafantatra ny haikanton’i Madame Zo, anisan’ny sangany eo […]