Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Mponina teo aloha, Soafilira Princia, sy ny minisitra vaovao, Fomendraza Haingo Elisette. Hanohy ny asa tsara efa natomboka ny minisitra. Ezaka kosa ny hanatanterahana ny asa ao anatin’ny 100 andro, araka ny baikon’ny filoham-pirenena, izay hifanindran-dalana amin’ny soatoavina sy ny fampandrosoana lovain-jafy. […]
Mois : janvier 2024
Fampianarana ambony : tsy hilefitra amin’ny kolikoly ny minisitra
Vita ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vaovao, Razafiharison Andriamanantena, sy i Assoumacou Léa Béatrice, ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Fanambin’ny minisitra vaovao ny hanohizana ny asa amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fijerena ny vahaolana matotra mahakasika ny olan’ny mpianatra. Maromaro rahateo ny […]
Malagasy mpianatra any Rosia: mitaraina fa tsy nahazo vatsim-pianarana
Niombom-peo indray ireo Malagasy mpianatra any Rosia fa mijaly amin’ny tsy fahazoana vatsim-pianarana 2 taona nisesy izao. Lany vatsy ary tapitra Visa ny sasany. Mila vonjy amin’ny fanjakana. Tsy mbola nisitraka ny vatsim-pianarana hatramin’ny taom-pianarana 2021-2022 sy 2022-2023 ireo mpianatra mandranto fianarana any Rosia. Zon’izy ireo feno ny misitraka ny […]
Mpianaka niara-maty: tokantrano iray notetezin’ny varatra
Notetezin’ny varatra ny tranon’izy eni-mianaka teny Lavahitsiny Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina. Namoy aina telo ny fianakaviana. Vehivavy mpianaka niara-maty izay bevohoka fito volana ny iray. Mafy ny manjo ny fianakaviana iray, monina eny Lavahitsiny, Kaominina Anosiala, distrik’Ambohidratrimo. Maty nilatsaham-potaka ny renim-pianakaviana roa tao an-trano. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-42 […]
VAOVAO TAMBATRA
Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny alatsinainy 15 janoary teo, fa mikatsaka vokatra hita maso ny tenany… Te hanatona akaiky kokoa hijery ny olana sy hikaroka vahaolana eny an-kianja. Nandritra ny fiarahabana azy tafaverina hitazona ity minisitera ity indray no nilazany an’ireo. Nankatoavina, omaly, […]




