Miteraka resabe etsy sy eroa ny mahakasika ny fenendrena ilay tovolahy, vao 27 handray 28 taona, ho minisitry ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Maro kokoa ny manana fijery miiba noho ireo matoky ny ho fahombiazany. Any anaty fiara fitateram-bahoaka, eny amin’ny tambajotran-tserasera dia samy manovokovoka avokoa, mitondra fanehoan-kevitra. […]
Mois : janvier 2024
Andriantsitohaina Naina: “Ny vahoaka no tena hifantohantsika”
“Miara-miasa, miasa mafy sy haingana”, hoy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, nandritra ny famindram-pahefana taminy. Laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fanambin’ny Filoham-pirenena. Nandray ny fahefana amin’ny maha minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany azy Andriantsitohaina Naina. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy […]
TSELATRA
Vehivavy iray naratra latsaka tao anaty lavaka teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly hariva. Niakatra izaitsizy ny rano tao anatin’ny ora-nikija. Avy nirava niasa izy tamin’io fotoana io ka teny an-dalana hody no nitranga ny loza. Latsaka tao anaty lavaka izy saingy voatazon’ireo olona niara-dalana taminy. Tsy hay rahateo ny manavaka ny lalana […]
Nanendaka mpandeha : naiditra am-ponja ilay mpamily taxi-be
Nidoboka am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay mpamily taxi-be nivadika ho nanao asan-jiolahy tamina mpandeha iray teny Andranomena, ny alahady teo. Mbola nangingina ny andro, sendra irery tanaty fiara ny renim-pianakaviana iray. Teo no nararaotin’ity mpamily sy ny namany norobaina. Lasan’izy ireo ny vola 165 000Ar, niampy ny entana […]
Andohatapaneka : roa lahy tratra nangalatra bateria
Naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy roa tompon’antoka tamina halatra baterian-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha ireto jiolahy ireto. Tratra nangalatra bateria amin’ireo andrin-jiro amin’iny faritra Andohatapenaka iny ry zalahy ireto. Nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo mahazatra, teny amin’iny faritra […]




