Nilaza ny tsy hanolotra kandidà ben’ny Tanàna eto Toamasina ny antoko miaraka amin’ny Vondron’ny kandidà (C11). Na izany aza, misy ihany ireo tsy hanaraka izany fa mety hirotsaka amin’ny anarany manokana. Efa ao anatin’ny fifampiresahana na koa fifandroritana ireo mpanohana ny filoha Rajoelina manoloana ny kandidà hahazo ny fankatoavan’ny vovonana […]
Mois : janvier 2024
12 janoary : nankalazaina omaly ny Andron’ny manamboninahitra
Fotoan-dehibe sy miavaka ho an’ireo manamboninahitra ny andron’ny omaly. Fotoana miavaka ihany koa hanomezana voninahitra sy hahatsiarovana ny fitakiana nataon’ny mpianatra ho manamboninahitra tamin’izany. Tontosa omaly 12 janoary 2024 ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Nahitana izany fanamarihana izany avokoa ireo toby miaramila sy zandary maro nanerana an’i Madagasikara. Samy nanana […]
Toetr’andro: mihaodihaody ny rivodoza manaraka
Nampahafantatra ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly, fa misy rivodoza mihaodihaody ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Omaly, any amin’ny 950km avaratra atsinanan’Antalaha ny foibeny. Rivodoza faharoa nipoitra tamin’ity vanim-potoana fahavaratra ity io miforona io, aty amin’ny fari-dranomasina manodidina an’i Madagasikara. Miha mitombo hery ity rivodoza ity ka […]
Tily eto Madagasikara: Skoto maherin’ny 5 000 hankalaza ny faha-100 taona
Ny 27 janoary izao no hanamarihina ny faha-100 taonan’ny skoto, Tily, eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina, ny hetsika fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy fa hisy ihany koa manerana ny distrika. Maherin’ny 5 000 ireo skoto andrasana eny Mahamasina amin’io. Aorian’ny fanompoam-pivavahana, hisy ny foaraben’ny Tily, hanasongadinana ny talenta […]
Fianarana teny japoney: mitantara ny niainany tany Japana i Tafita
Taona fahatelo ao amin’ny fakiolten’ny teny sy siansa maha olona an’ny Oniversiten’Antananarivo i Tafita ary manaraka ny lalam-piofanana teny Anglisy sy Japoney. Nahazo vatsim-pianarana herintaona avy amin’ny fanjakana japoney izy, ka nihazo an’i japana, ny volana septambra 2022, mba hianatra sy handalina ny teny sy kolontsaina japoney tao amin’ny Doshisha […]




