Toy ny fanao isan-taona, rahampitso ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Samy hiara-hankalaza izany avokoa ny manerana ny faritra rehetra. Nanao fampilazana ho an’ireo mponina manodidina ny toby miaramila rehetra voakasik’izany ny tomponandraikitra eo anivon’ny fibaikoana ny mpitandro filaminana mba tsy ho taitaitra. Anisan’izany ny eto an-drenivohitra, toy ny eny amin’ny […]
Mois : janvier 2024
Andranomanelatra : mpianadahy niara-maty nilatsaham-potaka
Mpianadahy indray no niara-namoy ny ainy nilatsaham-potaka, afakomaly, tany Andranomanelatra Antsirabe nandritra ny oram-baratra niseho tany an-toerana. Ankizy mpianadahy niara-namoy ny ainy nilatsaham-potaka tao Tsararavaka, Andranomanelatra, Antsirabe II, afakomaly. Nivatravatra ny orana ka nialoka teo ambany lavarangana ilay ankizy iray. Nitazana io mpiray tampo aminy io avy eny an-davarangana ny […]
INDRAY MIJERY
Nampahafantatra ireo fambaran’aretina heverina ho tiberkilaozy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mila mailo raha toa ka mihamahia, tsy mazoto homana, mikoha-maina maharitra…Maimaimpoana ny fitiliana ny aretina tiberkilaozy. Toraka izany ny fanafody sy ny fandraisana an-tanana ny zaza mila fitiliana. Mitohy ny lamina amin’ny fandraisana fisotroan-dronono. Omaly no anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny […]
Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana : traboina 6 764 novatsin’ny Amerikanina sakafo
Ho fanavotana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro teo, nanome tolo-tanana i Etazonia, amin’ ny alalan’ny USAID sy ny PAM, hiaraha-miasa amin’ny BNGRC. Nanampy tamin’ny fanombanana sy fizarana fanampiana izy ireo. Nomena vary, menaka ary sakafo be otrikaina milanja 4,7 taonina avy amin’ny USAID, ireo olona nafindra toerana miisa […]
Sampana mpamonjy voina : vonona amin’izay loza mety hiseho
Nampahafantatra ny sampana mpamonjy voina ao amin’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao dia mety hisy ireo hazo ahiana hidaraboka ka mety hampidi-doza. Nanentana, araka izany, ny CUA mba hampandre haingana ny sampana mpamonjy voina amin’ny laharana 118 raha vantany vao mahita tranga mifanaraka na mampiahiahy. Ny […]




