Mois : janvier 2024

Paositra Malagasy: tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifa

Ankoatra ny fandraisana sy ny fandefasana entana sy taratasy, miantsehatra amin’ny fikirakirana vola ny Paosi­tra Malagasy. Nitombo ireo mpanjifa ny tolotra ara-bola rehetra omen’ity orinasam-panjakana ity, tanatin’ny telo taona. Fivoarana lehibe ny hita nandritra ny 30 taona nisaloran’ity orinasa ity ny anarana Paositra Malagasy. Nampaha­fantarina omaly, ny ezaka vi­tan’ny orinasa […]

Vary simba tao Mahajanga : naiditra am-ponja ny prefe sy ny tale iray

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny prefet-n’i Mahajanga sy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (DRICC) Boeny, omaly. Raharaha maha voarohirohy azy ireo ny mahakasika ilay vary simba tanaty kaontenera miisa 50 tany an-toerana. Maromaro ny tomponandraikitra ambony avy any an-drenivohitr’i Boeny no nampiakarina aty […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny tafatafa arahina ady hevitra iarahana amin-dRaymond Rajaonarivelo, mpanatontosa sarimihetsika, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny 20 janoary 2024. Malagasy anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika izy. Ny fahitany ny sarimihetsika malagasy no votoatin’ny tafatafa. Sarimihetsika sy sarimiaina miisa 30, mizara amin’ny […]