Mois : janvier 2024

Lilie sy Felaniary: raikitra ny «Takarivam-pifaliana»

Sady fifampiarahabana tratry ny taona 2024 no anisan’ny fanohizana ny fanafanana lanonana tanterahin’i Lilie sy Felaniary, any ivelany. Hanatontosa «Takarivam-pifaliana» Taombaovao 2024 any Toulouse izy ireo, anio, amin’ny 8ora alina (ora any an-toerana). Fampiaraham-peo tsy zoviana ho an’ny mpitia zavakanto. Anisan’ny andrasan’ny Malagasy maro monina any an-toerana sy ny manodidina, […]

Atrikasa fanoratana : ankizy no tilina handray anjara amin’ny hetsika

Manampy amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy ny fiseharany eo amin’ny haikanto. Anisan’ny antony nahatonga ny mpikarakara hanatontosa ny hetsika izany, ankoatry ny fahatsapana ny zava-misy eo amin’ny fanoratana asa soratra ankehitriny. Tanterahina manomboka amin’ity volana janoary 2024 ity, eny amin’ny Intsitut français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny atrikasa mahakasika […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fivoriambe ny mpikambana ao amin’ny Holafitry ny farmasianina ny 17 janoary izao, eto Antananarivo. « Manao ahoana ny hoavin’ny asan’ny farmasianina eto amintsika ? », no lohahevitra hifampizarana mandritra ny fihaonana. Volana hanentanana ny fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ny janoary, hoy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Azo sorohina […]

NIHINANA trondro am-bifotsy : fito mianaka marary naiditra hopitaly

Anisan’ny sakafo nampidi-doza ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fihinanana trondrokely am-bifotsy. Efa nahiditra hopitaly any Tanamakoa-Toamasina kosa izy ireo. Fito mianaka be izao tsy maintsy naiditra hopitaly ao amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray ao Tana­makoa-Toamasina. Narary vokatry ny fihinanana trondrokely am-bifotsy, “sardine”, izay nampifangaroana tamin’ny paty makaronia, ny andron’ny […]