Maty nilatsaham-baratra ny lehilahy iray 32 taona tao Arivonimamo, ny sabotsy 31 desambra teo. Nitondra bisikileta ity lehilahy ity no kilan’ny varatra tampoka. Tsy nisy taratasy namantarana azy intsony teny aminy. Naterin’ny fokonolona tao amin’ny hopitaliben’ Arivonimamo ny nofo mangatsiakany. Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 14 taona […]
Mois : janvier 2024
Ady tany ao Anosy Avaratra: tale sy mpanao politika voasambotra
Olona roa atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria eny Fiadanana, taorian’ny ady tany niseho teny Isahafa, Anosy Avaratra, ny sabotsy 30 desambra teo. Tale eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ny iray. Voasaringotra miaraka aminy ny tomponandraikitra ao anatin’ ny antoko politika TGV. Nanao fihetsiketsehana ny fokonolona tao Isahafa momba ny […]
Anjozorobe; dahalo raindahiny maty voatifitra
Dahalo nanao fanamiana miaramila maty voatifitry ny zandary tao amin’ny tanànan’Ambodiakondro, kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Niafina tsy lavitra io toerana io ilay olon-dratsy, araka ny angom-baovao azon’ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanamarina izany ny zandary telo lahy sy miaramila roa. Teny am-pisamborana azy, nokasain’ny manampahefana entina hihazo ny birao […]




