Mois : janvier 2024

INDRAY MIJERY

Maimaimpoana ny fandraisana an-tanana voalohany ny vonjy taitra eny anivon’ny tobim-pahasalamana, eny amin’ny hopitaly sy ny CSB rehetra manerana ny Nosy. Miaraka amin’ny fonds de premiers soins d’urgence izany nandritra ny fiatrehana ny fetin’ny faran’ ny taona sy ny fandraisana ny taom-baovao. Faha­salamana manakaiky vahoaka no tanjona sady manampy manala […]

Kaominina Ampitatafika : fianakaviana sahirana 200 nisitraka tolotra

Mponina 200 notsongaina avy amin’ny fokontany 13, eo anivon’ny kaominina Ampita­tafika no nisitraka fanampiana tamin’ny faran’ny herinandro. Nahitana vary, menaka, bis­cuit, vatomamy ho an’ny ankizy izany. Nisy ny fiaraha-mi­asa teo amin’ny kaominina sy ny orinasa mpivarotra fanitso iray eny an-toerana nahafahana nanao ny hetsika. “Tokony hanana zo ho faly sy […]

Rivodoza Alvaro : niditra an-tanety halina tao Morombe

Vao miandoha ny taona dia sedrain’ny rivodoza sahady ny tapany andrefan’ny Nosy. Rivodoza voalohany i Alvaro niforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Nitombo hery, lasa rivo-doza mahery voalohany ho an’ny taom-pahavaratra 2023-2024 i Alvaro, izay niforona ao amin’ny lakan­dranon’i Mozambika. Na­hazo anarana izy ny faran’ny taona tamin’ny 4 ora. Omaly hariva […]

Tsy ho afa-bela ny Mpanolana : sady ho vosirina no hatao sesitany

Sady higadra mandra-pahafatiny ny mpanolana no hatao sesitany. “Mbola ho tsindromina fanafody simika ny filahiany tsy hamerin-keloka”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Mihanaka ny fanolanana mianjady amin’ny zaza amam-behivavy, nandritra ny taona 2023. Hatra­min’ny omaly mbola misy ny tranga nampihorin-koditra ta­ny Toamasina. Zaza vao roa taona dia efa novetavetaina. Manoloana […]