Nanjakan’i Mathias Plantive ny fifaninanana nasionaly dingana voalohany “1ère manche”, taranja Moto cross, sokajy “Elite 1” izay notanterahina teny Ambohidava, ny alahady 28 janoary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany rehefa nahavita “tours” 12 tao anatin’ny 20 minitra, ka nahazoany isa 50. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Claudio Tida, […]
Mois : janvier 2024
Tournoi Rugby à 7 : hifantenana izay handrafitra ny Makis
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 febroary ho avy izao, ny « Tournoi » ho an’ny rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy, sokajy sénior. Ho fanomanana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika izany ka hifantenana ireo izay handrafitra ny Makis de Madagascar, lahy sy vavy. Nambaran’ […]
“Can 2024”: tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire i Senegal
Noravan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny nofinofin’ny Lionan’i Teranga Senegal, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny dian-dry zalahy. Lavo ny andrarezina. Nifarana ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny kianja Charles Konan Banny de Yamoussoukro, ny lalan’ny Lionan’i […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisy fiofanana miompy trondro ny 1 sy 2 febroary izao, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono Ampandrianomby. Voakasik’izany ny fiompiana trondro an-dobo, an-tanimbary ary ny dobo vita simenitra. Eo koa ny sakafon-trondro, ny fitantanana ankapobeny sy ara-bola, sns. Maimaimpoana ny fiofanana. Manome fe-potoana fanampiny hatramin’ny 29 febroary 2024 ny […]
Madagasikara sy Maorisy: hamafisina ny fifanakalozana
Hampiroboroboina ny fifanakalozana ara-barotra, sy ny fampiasam-bola ary ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Ireo ny tanjona napetraka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Chambre de commerce et d’industrie France Madagascar (CCIFM) sy ny Chambre de commerce et d’industrie France Maurice, omaly, tetsy Ankorondrano. Ho fampandrosoana ny toekarena sy […]




