Mois : janvier 2024

Fifanakalozana : hiara-hiasa i Mayotte sy Madagasikara

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, omaly, ny delegasiona avy amin’ny vondrona MADINTEX. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fifandraisana ana habakabaka sy an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Niompana betsaka teo amin’ny sehatry ny toekarena sy sosialy ny dinika. Tanjona ny hampiroboroboana […]

Ora-mikija: arahin’ny MTP maso akaiky ny lalam-pirenena

Miasa andro aman’alina ny minisiteran’ny Asa vaventy manarina ny lalam-pirenena simba vokatry ny oram-be. Manampy ihany koa amin’ny fanarenana ny toby fanariam-pako eny Andralanitra izy. Arahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) maso akaiky daholo ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara, anisan’izany ny lalam-pirenena fahenina (RN 6) amin’izao fotoam-pa­havaratra izao. Anisan’ny faritra be […]

TARATRY ny KANTO

Mikea eny amin’ny Hôtel 12 Collines. Eny amin’ ny Domaine Manerinerina, Ambohijanahary Ambohibao ity toerana ity. Hisy ny fiarahana amin’ny tarika Mikea sy i Théo Rakotovao, ny zoma 16 febroary ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Ity no fiarahana taorian’ny nivoahan’ny rakikira vaovao “vola”, tamin’ny fiandohan’ity taona […]

« Cinem’Alliance »: Handravaka azy ny « Le Petit Bonhomme de riz »

« Le Petit Bonhomme de riz» an-dRandriamanantsoa Rianando Ludovic, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika indray no ho hita mandritra ny hetsika « Cinem’Alliance  », eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andava­mamba), anio. Hisy koa ny atri­kasa sinema iarahana amin’i Tojonantenaina Annick. Nam­pitondraina ny lohateny hoe « Bouger la camera pour créer des histoires » izany. Miso­katra […]

Zook Davids : Raikitra ny « EPP Tours » 2024

Mpanakanto anisan’ny sakaiza akaikin’ny ankizy sy ny tanora i Zook Davids. Tetikasa anisan’ny novolavolaina tamin’ iny taona 2023 nivalona iny ny hihaona mivantana amin’ireo kilonga sy tanora mianatra any amin’ny ambaratonga voalohany. Tsy mijanona ho fihaonana fotsiny fa hitondra fanabeazana ho an’ireny ankizy ireny, ho fanampiana sy fanatevenana ireo efa […]