Mois : janvier 2024

Tahiana Rasolojaona : “Izay hira mendrika no voasokajy anatin’ny RDJ Mozika”

Fantatra avokoa ireo hira voatsonga isan-tsokajy. Nitondra fanazavana mahakasika izany sy ny “RDJ Mozika” amin’ny ankapobeny ny mpikarakara, omaly. “Arakaraky ny fivoaran’ny mozika ny sokajy hampidiranay ny hira. Miovaova isan-taona izany, ka izay no mampio­vaova koa ny sokajy misy. Marihinay foana fa ireo dia hira sanganasan’ireo mpanakanto izay nateriny na […]

Filatsahana an-tsitrapo : tsy hitadiavana tombontsoa fa hanampiana ny mpiara-belona

Sehatra iray anisan’ny mahasarika tanora maro ny filatsahana an-tsitrapo ma­ne­­ran-tany. Ani­san’ny sampana iray mandray iza­ny, ary miasa eto Mada­gasikara ny Croix-Rouge Ma­la­gasy. Aha­zo­ana tombontsoa maro ny fiseharana amin’izany, ra­ha ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 10 333 ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny Croix-Rouge Malagasy (CRM) hatramin’izao, raha ny antontan’isa voaray […]

FANTINA sy FINTINA

Miisa 10 ireo mpanao gazety kandidà hofidina ho mpikamban’ny HCDDED. Hotanterahina rahampitso ny fifidianana azy ireo, ka ireo mpikambana eo anivon’ny biraon’ny holafitra (OJM) miisa 47 no haneho ny safidiny. Manana 5mn hanaovana propagandy izy ireo amin’izany. “Miaina ny jadona sy ny tsy fanarahan-dalàna isika izao”, hoy ny depiote Rabenirina […]

Ady amin’ny kolikoly: nihemotra ny laharan’i Madagasikara

Namoaka ny tatitra (IPC) fanaony isan-taona ny eo anivon’ny Transparency Interna­tional – Initiative Madagascar (TI-IM), omaly, tetsy Anosy. Mbola mahazo vahana ny kolikoly. Nahazo isa 25/100 i Madagasikara amin’ny maridrefy (IPC). Laharana faha-145 amin’ireo firenena 180, ho an’ny taona 2023. Isa 26/100 kosa izany teo alohan’izany, ny taona 2022. “Tsy […]

Toe-tsaina miiba

  Nahoraka omaly, teto an-dRenivohitra sy tamin’ny tambajotran-tserasera ny fako misavovona eny Anosipatrana. Tapaka tanteraka ny lalana, ary manomboka marary ny mponina. Tafahoatra ny havoretran’ny tanàna, izay mainka mandetika ny mponina any anaty fahantrana mangitsokitsoka. Zava-doza, 80% amin’ny mponina, izay manatona toeram-pitsaboana dia mararin’ny loto avokoa. Asa! Miova sata miova […]