Mois : janvier 2024

EPP sy CEG eto Antananarivo : ampanofain’ny mpitantana antsokotsoko

Nampiantso ireo tomponandraikitra momba ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ny CUA, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP sy CEG…). Nisongadina tamin’ izany fa misy amin’ireo mpitantana sekoly manjakazaka tsy an-kiera amin’ny kaominina amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa izay an’ny kaominina ny fitantanana azy. Mahazo […]

Fanolanana : ho mafy ny sazy miandry

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo olona voaheloka amin’ ny fanolanana. Noraisina, araka izany, ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana mahakasika ny fanolanana na fikasana hanolana. Efa nanome toromarika rahateo ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny hanamafisana izany […]

Holafitra nasionaly  : «Hanenjika ny mpisandoka ho  infirmier manomboka izao»

Mampitandrina ireo toeram-pitsaboana tsy miankina mampiasa olona mitonona ho infirmier nefa tsy manana diplaoma ny holafitra satria hiroso amin’ny fanenjehana manomboka izao. Nanao fivoriana voalohany ny mpikambana amin’ny biraon’ny holafitra nasionalin’ny  infirmier  sy ireo biraom-paritra 23, teny amin’ny HJRA, omaly. Niko­rontana ny tontolon’ny asan’ny infirmier nandritra ny 15 taona farany ka […]

TARATRY ny KANTO

Les Talenta – Piment Café Behoririka. Rehefa ry zareo ireto no manafana ny fotoana ao, miitatra lavabe ny fiarahana. Hiverina ao amin’ny Piment Café indray, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, i Mbola Talenta, Inah ary Fanilo Poppin’s. Maro dia maro ny hira notrandrahan’izy ireo, manomboka amin’ireo taloha hatramin’ireo noforonina […]

Fampirantiana hosodoko: haneho ny mampiavaka azy i Mariam Amyra

Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antanana­rivo, ny 2 hatramin’ny 11 febroary 2024, ny fampirantiana «Fun& Flow», tontosain’i Mariam Amyra, Egyptianina mpanao hosodoko, manana ila frantsay, monina eto Madagasikara. Anisan’ny mampiavaka ny asa tanan’ity mpahay kanto ity ny fahaizany milalao ny hazavana sy ny loko ao anatin’ny haikantony. Ankoatra ny fampirantiana, vonona […]