Tafakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny sarimihetsika malagasy. Rajaonarivelo Felana no mitondra ny anaran’i Madagasikara eto, mandritra ny “Festival international des films des femmes 2024”. Anisan’ny voafantina hiatrika ny «Festival international des films des femmes 2024” (FIFF), ny sanganasan-dRajaonarivelo Felana, Malagasy mpanatontosa, nampitondrainy ny lohateny hoe « Debout ! ». Ity hetsika […]
Mois : janvier 2024
VAOVAO TAMBATRA
Tsy andoavam-bola intsony eny amin’ny masoivoho Jirama eny Mahazo. Eny amin’ireo Cash point nahazo alalana indray no handoavam-bola manomboka ny 23 janoary, izay mbola fanombohana ny tetikasa Jirakaiky, dia : Ampasampito (manoloana ny arrêt bus), Ampasampito (akaiky météo), Andraisoro (manoloana ny fokontany), Mahazo (manoloana taksiborosy), Nanisana (akaiky sapin), Ambohimangakely (akaiky […]
Madagasikara : nitombo 65% ny mpizahatany
Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nahatratra 65% ny taham-piakaran’ny fahatongavan’ny mpizahatany ny taona 2023. “Efa manakaiky ny tamin’ny taona 2019, mialoha ny covid-19 ny antontanisa, noho ny ezaka nataon’ireo mpisehatra sy ny mpandraharaha samihafa ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany”, hoy ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka ny Confédération du tourisme […]
Hampiasaina ny niomerika : ho vita ao anatin’ny adiny 3 ny fikarakaran’ny ladoany
Hitondra fiovana goavana ny eny amin’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana, mahakasika ny fanafarana na fanondranana entana any ivelany. Nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DGD), Lainkana Zafivanona, omaly, fa miisa 31 ny tetikasa entina hanavaozana ny fitantanana ao amin’ny ladoany, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) maro iraisam-pirenena, maherin’ny 20, efa nanomboka […]
75 taona niorenana : nahazo ny mari-pahalalana ISO 9001 ny tranopirinty Niag
Tsy mitsahatra mivoatra ny orinasa tranopirinty Niag. Dingana vaovao hiatrehany ny hoavy ny nahazoana ny mari-pamantarana ISO 9001-2015, mifanandrify amin’ny faha-75 taona niorenany. Anisan’ny sangany eto Madagasikara ny orinasa Tranopirinty vaovao sy ny sehatry ny grafika (Niag). Nanangana azy ny taona 1949, Andriantsitohaina Charles. Tsy nitsahatra nivoatra ity orinasa malagasy […]




