Hotanterahina ny 26 janoary izao, eny amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika, ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo. Entanina ny rehetra hamerina ny ala any amin’ny faritra misy azy avy. “Fambolen-kazo: Manarina tontolo, manatsara famokarana, mamela lova ho an’ny taranaka” no lohahevitra amin’izany. Nitsidika ny tranoben’ny ORTM sy nihaona tamin’ireo mpiasa ny minisitry ny Serasera […]
Mois : janvier 2024
Rabary Paul : “Mitondra vahaolana haingana ny sekretariam-panjakana”
“Tena vahaolana ny hisian’ny sekretariam-panjakana, fa mavesatra ny minisitera samihafa : misy fitaovam-pitantanana mila ahodina, mpiasam-panjakana mila ofanina sy ampirisihina izay misandrahaka manerana ny Nosy…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’izao. Indraindray apetraka ny fanamby sy ny baiko ary […]
Mandry tsy lavo loha
Migadona indray ity ny andro malaza ho an’ny mpanao politika sy ny mpitady seza. Hiditra amin’ny filan-kevitry ny minisitra faharoa amin’ity taona ity ny governemanta. Toy ny mahazatra, misy ny fifampizarana avy amin’ny mpikambana sy ny Praiminisitra ary ny Filohan’ny Repoblika. Tatitra momba izay herinandro voalohany nitsapana kianja izay. […]
Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent: “Nahazo fandrahonana izahay tamin’ny fifidianana…”
Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, nanoloana ireo mpiara-miombona antoka fa henjana ny nahazo azy ireo tamin’ny fifidianana farany teo. Na izany aza, niezaka nijery ny tombontsoam-pirenena ireto mpitsara avo ireto, araka ny nambarany. “Nahazo fandrahonana mivantana na ankolaka izahay tamin’ireny fifidianana ireny… Teo koa ny tsikera samihafa saingy tsy natao […]
TSELATRA
Vehivavy iray nandeha taxi-moto no lasibatry ny jiolahy teny Anosibe, omaly atoandro. Niainga avy eny Anosy handeha hody any Ampitatafika ity renim-pianakaviana ity no nandeha taxi-moto noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Teo Anosibe anefa, nosintonin’ny jiolahy ny poketra teny aminy. Lasa ny vola niaraka tamin’ny finday. Niezaka nitsoaka ihany ilay mpitondra […]




