Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fahadiovan’ireo mpivarotra sy ny toerana ivarotany, araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana. Mila manaraka ireo fenitra napetraka ny mpivarotra. Voarara ny varotra rehetra ivelan’ ny tsena. Ireo tsena rehetra tsy maintsy anaovana fanadiovana faobe matetika, isorohana ny otrikaretina ary […]
Mois : janvier 2024
Sekolim-panjakana : tsy ampy 2 tapitrisa ny dabilio
Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa tsy ampy 2 tapitrisa ny isan’ny dabilio ho an’ny zana-bahoaka any amin’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy. Tafiditra amin’izany ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée. Manaporofo izany ny mbola ahitana sekoly mipetraka amin’ny tany mihitsy aza any ambanivohitra. Ny ankizy […]
Takaitran’ny orambe: telo ny olona maty, iray tsy hita popoka
Niakatra ny isan’ny olona namoy ny ainy sy traboina vokatry ny orambe niseho farany teo. Mbola nahazo fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny faritra maro anio sy rahampitso. Niakatra ho telo ny olona namoy ny ainy vokatry ny orambe niseho nanomboka ny 16 janoary lasa teo. Iray tany Maevatanàna, ary roa […]
Trafikam-bolamena : vono olona sy fanambakana!
7 taonina isan-taona ny volamena mivoaka antsokosoko eto Madagasikara. Tafakatra hatrany amin’ ny 250 miliara Ar ny vola vahiny tsy miverina. Any Dubaï no iafaran’ny entana na ny mandeha ara-dalàna na ny anaty varo-maizina. Mialoha izany, maro ny trangam-piarahamonina miafina tsisy sahy manatsikafona toy ny vono olona sy ny fanambakana. […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny tolo-tanana. Tontosa ny alatsinainy alina teo ilay fandidiana saro-pady natao tamin’i Mikakely. Efa nanomboka ary hitohy anio kosa ny hetsika ataon’ireo namany. Ny Jhix Mozik no hanafana ny Le Glacier, manomboka amin’ny 5 ora hariva. I Solo Andrianasolo no hitarika ny fotoana eny amin’ny M’Lam Manakambahiny manomboka amin’ny […]




