“Hanina an’i Neny. Hira anisan’ny nampalaza ny fampiaraham-peon’i Barijaona sy O’Suzah izy ity. “Hira noforonin’ny anadahin-dreniko, Randria Gervais, ny Hanina an’i Neny. Nampihiraina an-dry Barijaona izany, ary tena be mpankafy. Ankehitriny haverinay Anoka Ba Gasy indray ny hira”, hoy ny nambaran-dRalanto. Iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Anoka Ba Gasy. Hisy ny fampisehoana izay hotontosain’izy ireo rahampitso sabotsy 3 febroary, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny Karibotel Analakely.
“Hira tena tiako loatra, ary efa ela no nihirako azy foana. Mahafaly anay hatrany ny mamerina sy mamelona ireo hira tsy tontan’ny ela”, hoy kosa ny nambaran’i Haja Telofangady, izay mpikambana ao koa. Maromaro ireo hira izay velomin’ny tarika, ka misy ireo efa tsy faheno amin’izao fotoana izao intsony. Misy kosa ireo kalon’ny fahiny mitoetra hatrany, izay haverin’ny Anoka Ba Gasy amin’ny fanaovany azy.
Mifameno ny talenta ao amin’ny Anoka Ba Gasy. Samy mihira avokoa ry Mbola Talenta, Beauzaka, Haja Telofangady ary Ralanto izay mandrafitra ny tarika. Mpitendry ihany koa, ary samy nilomano ela tao anatin’ny mozika, indrindra ny fivoizana ny mozika gasigasy avy eto afovoantany. Tsy mamerina fotsiny anefa, fa samy mpamoron-kira ihany koa izy ireo. Misy ireo sanganasa nahafantarana ny tsirairay no haverin’ny Anoka Ba Gasy. Hoentin’izy ireo hianjoria sy hianoka izany ireo mpankafy, amin’io seho io.
Zo ny Aina




