«Bandy Rangahy 2024»: eny amin’ny Madagascar Espace ry Samoëla

Tsapa ho nangetaheta tsy mbola afapo ireo mpankafy tamin’ny zoma lasa teo… Maromaro rahateo ny tarika nandray anjara tamin’ilay “To­lo-tanana ho an’i Mikakely”. Samoëla ranoiray kosa ny anio alina, eny amin’ny Mada­gascar Espace eny By Pass, manomboka amin’ny 9 ora alina. Natao ho an’ireo mpankafy izay miandrandra izany foana izy ity. Haka endrika fampisehoana mihitsy satria haharitra ora maromaro izany.
Efa tafiditra anatin’ny “Bandy Rangahy 2024”, na ny andiam-pampisehoana anatin’ny fihodinana hataon’ny tarika amin’ity taona ity io. Mbola hisy seho maro any amin’ny faritra ka hatrany ivelany. Efa fantatra fa ny volana mey sy jona izao no hihodina any Amerika sy Eoropa ry Samoëla sy ny tariny. Toa ny mahazatra isaky ny hetsika izay tontosainy, hisy hatrany ny fivarotana ny rakikira anaty “Usb”, Dvd vidéo, Dvd karaoke, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: