Matetika mijanona eo am-bava fotsiny ihany ny hoe : « aingam-panahy ». Ny zavakanto sy ny asa famoronana no tena ahenoana azy io. Hatreo ihany fa ilay fototra saika vitsy dia vitsy ny mahafantatra azy… Nanampy trotraka ihany koa ny fisian’ireo fitaovana raitra hoenti-manatanteraka ny kanto tian-katao.
Ilay « fanahy maha olona », io no ahafahana mamorona. Tsy izay lazaina ho mpanakanto ihany no manana azy io fa ny olon-drehetra raha ny fahalalan’ny Malagasy. Fanahy maha olona, fototra lehibe itsimohan’ny asa famoronana. Na ho « tsara » na ho « ratsy » (tsy voatery hifanaraka amin’ny eritreritry ny mpitazana) ny zavatra vita, ny aingam-panahy no niteraka izany. Na ho « mora raisina » na ho « saro-takarina », mbola avy amin’ny aingam-panahy avokoa ireny.
Ankehitriny, mifamadika ny rasa. Raha manosika ny hira ny zavamaneno, izany hoe, hampisongadina ny hira, tsy izany intsony izy amin’izao. Ilay hira indray no miantsampy amin’ny zavamaneno. Rakotry ny feon-javamaneno ny feon’ny mpihira. Karohina mihitsy aza ireo zavamaneno anisan’ny mamoaka feo miavaka… Dia mifanarontsarona ao !…
Rehefa nomena lanja ilay fanahy…
Zavamaneno tsotra no nanaraka ireo hira noforonin-dry Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Wast Ravelomoria, Dama (Tarika Mahaleo), Eric Manana, Rakoto Frah, Mama Sana, Hugues Aufray, Petula Clark, Edith Giovanna Gassion (Edith Piaf), sns. Na efa am-polo taona maro aza ny namoronan’izy ireo ny sanganasany, mbola manana ny maha izy azy (hirain’ny olona maro, hiraina mpihira maro, tendrena mitendry maro…), satria, hatrany am-pamoronana mihitsy no efa nomena lanja ilay aingam-panahy ka tsy voatakotakon-javatra hafa.
… Tsy ny hira ihany fa saika ny zavakanto atao ankehitriny, tratran’io tranga io avokoa. Hafa mihitsy ny petakofehy (zaitra) ataon’ny tanana. Lafo vidy lavitra noho ny vita tamin’ny milina raitra izy ireny, satria, tazana ao anatiny ilay fisian’ ny « fanahy » namita ny asa. Mbola miavaka amin’ny maro ny sokitra natao tamin’ny fandraka, nandaniana fotoana naharitra kokoa, nokajian’ny maso, notsinapan’ny tanana, sns.
Saingy, tsy io « fanahy maha olona » miteraka ilay antsoina hoe « aingam-panahy » io intsony no mitoetra ankehitriny fa ny fahavitan-javatra maro ao anatin’ny fotoana fohy mba hivadika ho vola !
HaRy Razafindrakoto




