Fiarovana ny tontolo iainana: namboly hazo 3 000, teny Iavoloha, ny Prezidansa

Nitohy teny amin’ny manodidina ny Lapam-panjakana Iavoloha indray ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Nitarika izany ny filohan’ny Repoblika.

Nambarany tamin’izany fa mitari-dalana sy manome ohatra eo amin’ny fambolen-kazo ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anisan’ny nanatanteraka izany ireo rantsa-mangaika sy ny eny anivon’ny fitantanana ny minisitera ary koa ny fikambanana mandrafitrra ny fitantanana firenena. Notsiahiviny fa efa nosokafana tamin’ny 26 janoary lasa teo, teny amin’ny Tana-Masoandro, Imerintsiatosika izany ho an’ny taom-pambolen-kazo  2024. Nomeny toromarika avokoa ny rehetra fa mila mamboly hazo ny olom-pirenena tsirairay sy ny tomponandraikitra ka manao izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Mazava ny lohahevitra amin’izao hetsika izao : “Manarina tontolo iainana, mamelona aina“.

Nirosoana avy hatrany avy eo ny fambolen-kazo miisa 3 000 amin’ny velaran-tany 3 ha. Ahitana ireo karazan-kazo samihafa izany, toy ny ravinala, ny “Palissandre“…

Hametraka tantara sy manome ohatra

Etsy andaniny, hanokanana toerana ahafahana mamboly voan-kazo fihinam-boa koa ny eny amin’ny manodidina ny Lapam-panjakana. “Hametraka tantara sy manome ohatra isika“, hoy hatrany ny filoha, Rajoelina Andry.

Nambolena hazo miavaka koa ny eo afovoan’ny lalana mihazo ny lapa mba hanome endrika tsara ny eny amin’ny manodidina sy ho hitan’ireo vahiny mihazo eny Iavoloha.

Namaranan’ny filoha ny lahateniny, nialoha ny nambolena hazo, ny nanentanany ny tsirairay hamboly hazo na amin’ny toerana kely aza. Ohatra, eny an-tokontany mba hahazoana vokatra.

Synèse R.   

Partager sur: