Fantatra omaly, tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa hivoaka ny alakamisy ho avy izao ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena, Barean’i Madagasikara, nantsoin’ny mpanazatra Corentin Martins. Tsara ny mampahatsiahy fa hiatrika ny fifanintsanana Can 2027 ny Barea amin’ity volana novambra ity. Hatao ny 12 novambra ho avy izao izany, any amin’ny Kianjan’ny Meknes, Maroc. Lalao mandroso eo amin’i Guinee Bissau sy i Madagasikara. Ny 17 novambra kosa, any amin’ ny Kianjan’ny 24 septambra, atsy Bissau, ny fifandonana miverina.
Tsara marihina fa mbola mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny vondrona “L” ny Malagasy. Raha tsy mandresy amin’ireo fihaonana roa ireo dia efa manao veloma sahady amin’ny Can 2027. Ampahatsiahivina fa iray ihany no miakatra ao amin’ity sokajy “L” ity, noho i Tanzania, mampiantrano ny fifaninanana, izay efa tafita avy hatrany.
Hiara-hiasa amin’ny Aro
Nampahafantarina omaly, tetsy Antsahavola, ny fifanaovan-tsonia hanamarihana ny fiaraha-miasa eo amin’ny FMF sy ny tranom-piantohana Aro. Samy nilaza ny andaniny sy ny ankilany fa ny fitiavana ny hampandroso sy hampiroborobo ny baolina kitra malagasy no anton’izany. Notsiahivin’ny mpitantana ny orinasa Aro fa efa nanomboka ny volana marsa teo ry zareo no nanohana ny Federasiona sy ny ekipam-pirenena malagasy Barea.
Fitia Randria





