SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika ny fiadiana ny “Grand prix de Zagreb”, hatao any Croatie indray, i Laura Rasoa­naivo. Fihaonana hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 15 novambra ho avy izao. Hiady ao amin’ny sokajin-danja – 70 kg ny tovovavy amin’ity. Tafiditra ao anatin’ireo “judoka” tsara filaharana indrindra amin’ity fihaonana ity ny tenany.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja Ambo­hi­tsaina Ankatso, ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 novambra ho avy izao, ny fifaninanana tsipy kanetibe. Fihaonana karakarain’ny ligin’Analamanga. Hitsofan-drano ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “Mondial 2026” tanterahina any Thaïlande, ny 20 – 24 novambra ho avy izao izany.

Mizotra etsy amin’ny Kianja mitafon’Anko­rondrano, ny Fiba National Youth Camp 2026, taranja basikety. Fihaonana karakarain’ny Fiba Afrique sy ny Federasiona malagasy (FMBB) izy ity. Mitarika izany i Naoufal Uariachi, manampahaizana avy amin’ny Fiba. Haharitra hatramin’ny 7 novambra izao ny fiofanana.

Partager sur: