Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, ny herinandro teo, fa nahazo tatitra amin’ny fanotorana tany tsy ara-dalàna eny amoron’Andralanitra ny tenany. Sarona izany ary efa mandeha ny fanadihadiana.
Naniraka ny polisin’ny fanajariana ny tany “Service de Police de l’Aménagement du Territoire – SPAT) ny tenany saingy tsy nahatsikaritra na inona na inona izy ireo. Nangataka ny lefitry ny ben’ny Tanàna, mitantana vonjimaika an’Antananarivo ny minisitra mba hanaraka io raharaha io. “Tratran’ ny Polisy monisipalin’ Antananarivo, ny alakamisy alina, ireo mpanototra tany ary efa najanona izany. Nogiazana ny fitaovan’izy ireo”, hoy izy. Nanteriny fa efa nanomboka ary hitohy ny fanadihadiana hahafantarana ny tena tompon’antoka amin’ity fanotorana ity sy ny tompon’ny tany. Nankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny minisitra manoloana ny tranga tahaka izao.
Etsy andaniny, neken’ny depiote ny fametrahana PDS tsy mpiasam-panjakana ho an’ny fitantanana ny kaominina. Nanazava izany tamin’ny depiote, ny zoma teo, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin.
Mpiasam-panjakana ny filoha lefitra roa
Nambaran’izy ireo fa atao ny fanitsiana ity volavolan-dalàna ity mba hanamorana ny fampandehanan-draharaha sy ny fampandrosoana eny ifotony rehefa misy fahabangan-toerana. “Hapetraka ny delegasionina manokana, ahitana olona miisa telo ka tsy voatery ho mpiasam-panjakana ny filoha. Tsy maintsy mpiasam-panjakana raikitra kosa anefa ny filoha lefitra roa”, hoy izy.
Nampahatsiahy ireo antony ahafahana mametraka PDS kosa ny minisitry ny Atitany ka anisan’izany ny fahafatesana, ny fidirana am-ponja, ny fionganana, ny fialana andraikitra “abandon de poste”.
Synèse R.




