Tsy mbola mivoaka ny tetiandrom-pifidianana noho ny lamina isan-karazany. Milaza ny antoko politika fiombonana, fa misy kajikajy politika ao ambadik’izany.
«Izay hatrany ny kajikajy politikan’ny fitondrana teo aloha: miandry ora farany vao mamoaka datim-pifidianana mba tsy hahazoan’ny antoko sasany miomana amin’izay fifidianana izay». Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Fotoana hanolorana amin’ny governemanta ny tetiandrom-pifidianana izao. Tsy tsara izay kajikajy politika izay, raha tiana ny hahazoan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fifidianana. Misy ny vola na ny fifidianana depiote na ny kaominaly no mandeha aloha, na hampiarahana izy roa. Efa nisy ny vola nomanina tokony niatreahana ny fihodinana faharoa, tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Fihodinana voalohany anefa izany dia vita. Mbola misy vola azon’ny Ceni hampiasaina tsara hahazoana manasaraka ny fifidianana roa. Tsy misy antony tokony hampiarahana fifidianana roa. “Ny zava-doza ao anatin’izay: efa zavatra hafa ny biletà tokana, mampanahirana ny olona any ambanivohitra”, hoy izy.
Raha ny zava-misy eny an-kianja, tsy manana olona azo itokisana ny fitondrana amin’izao. Izay no mahatonga ny kajikajy hoe: mpiasam-panjakana sa tsia ny PDS? Lasa niantsoana fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta ny raharaha? Nefa tokony ho any amin’ny fivoriana ara-potoana ny volavolan-dalàna toy izany. Amin’ny 2 jolay vao tapitra ny fe-potoam-piasan’ny depiote. Mbola manam-potoana tsara ry zareo amin’ny fivoriana ara-potoana izay tokony hanomboka amin’ny volana mey.
R. Nd.




