Ao anatin’ny fandinihana amin’ny antsipiriany ireo raharaham-pitsarana momba ilay mpandraharaha, Rajaonah Mbola ny eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67ha, amin’izao fotoana izao. Natao izany noho ny fanambaran’ny mpisolovava fa tokony hatsahatra ny fanenjehana ity mpandraharaha, niara-dia tamin’ny fitondrana HVM, ity. Nambaran’ny mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny Pac, Rasoahanta Elysée, fa jerena amin’ny antsipiriany avokoa ireo antontan-taratasin’ady rehetra momba an-dRajaonah Mbola. “Anisan’izany ireo didy nivoaka momba izany. Natao avokoa ny fampitahana rehetra amin’ny alalan’ny tabilao ka nahalalalana fa miisa 36 ireo antontan-taratasin’ady anenjehan’ny fitsarana io mpandraharaha io”, hoy izy. Nanteriny fa mbola tsy maty paikandro izany ka dinihina indray.
Anisan’ny vesatra iampangana an-dRajaonah Mbola ny famotsiam-bola sy fanaovana hosoka teny anivon’ny fadintseranana, toy ny famoahana menaka tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Tsiahivina fa efa nanao fifonana an-taratasy noho ny tsy fitovian-kevitra politika ity mpandraharaha ity. “Efa famonoana ahy an-kolaka izao”, hoy izy. Efa nigadra 5 taona Rajaonah Mbola, tokony hivoaka ny fonja ny 14 febroary izao.
Synèse R.




