Mbola mandeha ny adihevitra. Nanazava ny fahitany ny hiatrehana ny fifidianana anakiroa ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena Safidy.
“Tsy misy ny lalàna manakana ny fampiarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote no tsy azo ampiarahana”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sampana fanaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana depiote. Misy lafiratsiny sy lafitsarany ny fanaovana fifidianana miaraka na misaraka. Raha misaraka ny fifidianana, lafiratsiny ny vola fa mitokana ny hanaovana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, ary vola mitokana ny fifidianana depiote. Ahiahy koa ny hoe: mbola ho azo ve ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy?
Fitsarana samihafa
Mitovy kosa ny faharetan’ny fampielezan-kevitra: samy 21 andro. Samy hafa ny fitsarana mitsara an’ireo fifidianana roa ireo: ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana no miadidy ny fifidianana kaominaly, ary ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no miandraikitra ny fifidianana depiote. Lafitsarany, raha sarahina ireo fifidianana roa ireo: mandeha araka ny mahazatra ny fikarakarana azy tsirairay avy, ary tokony hilamina kokoa. Raha hirosoana ny fanakambanana azy ireo: mila fanabeazana sy fanentanana faran’izay mafy avy amin’ny Ceni sy ny antoko politika ary ny firaisamonina sivily afa-manao an’izay. Mila fanofanana tena maty paika mandeha tsara araka ny tokony ho izy ho an’ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana.
R. Nd.




