Depiote Rajoelina Seth : “Mety na hatambatra na sarahina ny fifidianana”

“Manaiky izay fanapahan-kevitra fantatra fa hahasoa ny firenena izahay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD voafidy tany Fianarantsoa I, Rajoelina Seth, momba ny fiatrehana fifidianana. Na hatambatra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna sy ny fifidianana de­piote na halefa tsirairay na mitokana, mety izay fanapahan-kevitra mivoaka eo. Satria matoa mivoaka izay fanapahan-kevitra izay, efa misy fanadihadiana lalina natao. Eo koa ny fijerena izay mety sy mahasoa, izay vao manapa-kevitra ny amin’izany ny mpanatanteraka.

Volana jolay ry zareo no tafapetraka, fa volana mey 2019 ny fifidianana. Tsara ho vita koa ny fifidianana. Ilaina ny fijoroan’ny andrimpanjakana tsirairay avy, amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Mba hahazoana mihazakazaka amin’ny hoe i Madagasi­kara tsy maintsy mandroso izany.

R. Nd.

Partager sur: