Filoha Rajoelina Andry: “Tsy azo ekena ny fifamonoana noho ny hevitra tsy mitovy”

Nomarihina omaly, tetsy Antaninarenina, ny faha-15 taonan’ny “Raharaha 7 febroary 2009”. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’izany, fa nanamarika ny tantara izany noho ireo lavo teo amin’io toerana io.

Notsiahiviny tamin’ny lahateniny ny hikiaka sy taraina ary ny alahelo sy tomany tamin’izany fotoana izany. Niainana ny fitiavan-tanindrazana tao am-po ka nankaherezany ireo fianakavian’ireo lavo. “Tsy raraka an-tany ny tolona natao ka tsy tokony hiverina intsony eto amin’ny firenena ny fampiasana fitaovam-piadiana hamonoana ny tsy mitovy hevitra aminao. Helohina ny fanaovana izany handavoana ny mpiray tanindrazana”, hoy izy. Nan­teriny ny efa nambarany tamin’ ny taon-dasa fa anjarantsika ny mamela heloka ireo nanao ratsy tamintsika. Tsy maintsy tafavoaka amin’ny hatao sy ny adidy masina iantsorohana rehefa manao ny rariny sy ny marina.
Nambarany fa mitarika hampandroso ny firenena ny tenany amin’izao fotoana izao. Nentaniny tsy ho kivy ireo fianakaviana fa hitraka na eo aza ny maha olombelona. Nampanantena ny filoha fa eo hatrany sy vonona hifanohana ary hifanome tanana.

Niatrana ny Emmo/Reg
Nitodika amin’ireo olom-boafidy sy voatendry ny tenany avy eo ka nilazany fa nisy tolona natao teto amin’ny firenena ary tsy tongatonga ho azy izany. “Mila jerena ny tombontsoan’ny besinimaro. Tsy misy sarotra tsy ho vitantsika ary ho tanteraka avokoa ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy ihany izy. Natsidiny fa mitohy ny tolona ka aoka hiray fo sy tsy hanaiky hozarazaraina sy hampiadiana, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa niatrana teny Antaninarenina sy ny manodidina hatreny Analakely sy ny kianjan’ny 13 mey ny eo anivon’ny Emmo/Reg, tamin’izao fanamarihana ny 7 febroary izao.

Synèse R.

Partager sur: