Fifidianana kaominaly sa ny fifidianana depiote no tokony hatao aloha amin’izao? Lasa adihevitra be… Manana ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Raha ny fahavitan’ny fifidianana no tanjona, mety ny fampiarahana azy. Fa raha fifidianana hoe vita tsara, aleo hisaraka… ” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Inona ny fifidianana tokony hatao aloha, ny ben’ny Tanàna sa ny depiote?
Miadana Fabien Privat (-): Raha ny fahavitan’ny fe-potoam-piasana, ny fifidianana ben’ny Tanàna no tokony hatao aloha. Izay no lalàna. Any amin’ny volana jolay vao tena vita ny fe-potoam-piasan’ny depiote, nefa ny an’ny ben’ny Tanàna efa vita tamin’ny janoary teo. Efa tokony hanana ben’ny Tanàna vaovao izany isika izao. Nilahadahatra tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izay fifidianana ben’ny Tanàna izay. Nefa milaza ny lalàna fa ny fifidianana filohan’ny Repoblika no alefa aloha, raha vao mifanindry ny fifidianana. Raha vao vita ny fifidianana filohan’ny Repoblika, tokony ho nisy ny fanolorana daty ho an’ny fifidianana kaominaly. Nefa raha ny feo mandeha, mety ho fifidianana depiote no mety ho lasa aloha.
* Ny fijerinao azy raha hoe hampiarahana ny fifidianana roa?
– Ny teo aza efa nanahirana nefa fifidianana iray… Ny olana amin’ny fifidianana atambatra, samy hafa ny fitsarana misahana ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Somary manahirana izay fa mila fampitaovana sy fandaminana matanjaka be amin’ny fikarakarana: tokony ho avo roa heny, ohatra, ny mpikamban’ny biraom-pifidianana, fa samy hafa ny handefasana ny voka-pifidianana. Manaraka an’izay koa ny fampiofanana, ny lafiny vola… Tokony hampitomboina izany ny isan’ny olona, fa tsy dimy toy ny tamin’ny fifidianana farany teo no hoe hanisa vato, hisahana ny vata fandatsaham-bato, hanatitra ny vokatra any amin’ny CRMV…
Amin’izany fifidianana atambatra izany, mety tsy hifankahitana ny fampielezan-kevitra fa hanao ny an’ny ben’ny Tanàna sady hanao ny an’ny depiote. Raha ny fahavitan’ny fifidianana no tanjona, mety ny fampiarahana azy. Fa raha fifidianana hoe vita tsara, aleo hisaraka… Aleo misaraka ny fifidianana, rehefa tsy voahaja ny hoe tokony ho voafidy tamin’ny janoary ny ben’ny Tanàna. Mbola mila hazavaina koa ny lalàna momba ny fifidianana kaominaly nasiam-panovana.
Nangonin’i R. Nd.




