Nitondra fanazavana sy fanentanana mahakasika ny maha zava-dehibe ny fisoratana sy fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana, Randriamasinoro Ny Rina, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara (Tim), omaly. “Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidinana, ahafahana manintsy amin’ny ampahany izany lisitra izany. Io lisitra io izay nahitana tsy fahatomombanana maro nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim. Ankoatra izay, tanjona ao anatin’izany koa ny hisin’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra.
Tombony ho an’ny rehetra ny fahatanterahan’ny fifidianana mangarahara sy ara-dalàna ary eken’ny rehetra, araka ny nambaran-dRandriamasinoro Ny Rina hatrany. Ho an’ity antoko ity manokana, nanambara ihany koa ny sekretera jeneraliny fa fomba ahafahana manohy ny tolona, niarahana tamin’ny vahoaka maro io fifidianana io, noho izy anisan’ny manakaiky vahoaka indrindra. Afaka manara-maso akaiky ny vokatra ny mpifidy, ao anatin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy solombavambahoaka, raha oharina amin’ny tamin’ny filoham-pirenena, saingy tsy maintsy ao anaty lisim-pifidianana izy ahafahany manao izany.
Marihina fa manana hatramin’ny faha-15 febroary 2024, ny vahoaka malagasy, mihoatra ny 18 taona, hanamarinana sy hanoratana ny anarany ao anaty lisi-pifidianana, ahafahany mandray anjara feno amin’izany fifidianana izany.
Lin




