“Ireo sehatra mavesabesatra any amin’ny minisitera no sintonin’ny filohan’ny Repoblika harahi-maso. Tena fanaraha-maso no antony nanaovana ny sekretariam-panjakana”, hoy ny fanehoam-pijerin’ny mpandinika raharaham-pirenena, i Soalihy Moussa, momba ny sekretariam-panjakana. Tsy tokony haha vahiny izany, fa efa maro ny nanao azy teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tamin’ny fitondran’ny HVM aza, minisitera no niankina tamin’ny fiadidiana ny Repoblika izay nantsoina hoe minisi-panjakana.
Tsy tokony hisy olana ny fisian’ny sekretariam-panjakana, fa mifandrindra amin’ny asan’ ny Praiminisitra ihany izy io. Misy fandraisana andraikitra ifampizarana hatrany eo amin’ ny Priaminisitra sy ny filohan’ ny Repoblika. Ny Prai-minisitra hatrany no lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Rehefa mamoaka fanapahana na didim-panjakana ny eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, tsy maintsy eny amin’ny Primatiora no hakana ny laharan’izany. Hanamora sy hanamaivana ny asan’ny minisitera koa ny sekretariam-panjakana, ka tsy tokony hasiana olana.
R. Nd.




